|
|
|
|

Teny iditra1 Ririnina ny andro
Singan-teny  2ririnina, 3andro
Sokajin-teny  4 anarana (lohatenin-tantara fohy)
Voambolana  5 Haisoratra: tantara fohy
Mpanoratra 
Lahatsoratra  6 Lasa ny fahavaratra. Tany hafa sy fo hafa no irotsahany ankehitriny. Eo am-pitsinjovana an' iny tonon-taona1 anankiray iny, inona no tonga ao an-tsaina?

7 Ny sarin' ny fiainana, ny sarin' ny adin' ny fiainana. Ny maraina fanantenana, ny antoandro ahiahy, ny hariva ranomaso. Nony ampitso, dia tonga indray ny maraina. Dia toy izany hatrany hatrany.

8 Fa ankehitriny, indro tonga ny ririnina. Inona kosa re no sary asehon' ity tonon-taona ity? Jereo ny rahon' ny habakabaka fa mbola mety manopy manja ihany; toa endriky ny fahavaratra tsy mbola tapitra; ny erika koa indreny mifafifafy mahavonto, toa sarin' ny oram-pahavaratra nohanifisina; ny rivotra koa injany mifofofofo, ka na tsy mitondra ireo oram-baventy aza, dia mivimbim-panala mahangoly.

9 Raha izany no zohina an' eritreritra, ka ampiana an' izato fisovoky ny ririnina miandalana, izay samy hafa dia samy hafa lavitra amin' ny fahatampoky ny fiavian' ny fizaran-taona namany, dia tsy inona fa fahavaratra kely, fahavaratra farany, fahavaratra antitra ny ririnina. Ary tahaka ny "fiafarana" sy ny "fahanterana " rehetra, dia andron' ny fahanginana sy fieritreretana.

10 Dia indro fa toa feno fahanginana sy fieremam-panahy ny fanirian' ny endro ririnina.

11 Mitambatra ireny ka manjary oriory ny fo, mitambolina ny alahelo.


Nohavaozina tamin' ny 2025/05/06